About Lexicon

A feature rich and highly configurable, professional Joomla theme.

Icône d'Elisabeth de la Trinité - Carmel de HarissaRy Andriamanitra ô, Tokana Olona Telo, mitsaoka Anao aho. Ampio aho hanadino tena tanteraka mba hiorenako ao Aminao, tony sy mandry fehizay mova tsy toy ny efa miaina sahady any amin'ny mandrakizay iny ny fanahiko. Ry tsy manam-piovana ô, aoka tsy hisy hanaloka ny fiadanam-poko na koa hampiala ahy Aminao, fa ny miniotra tsirairay avy anie, hitondra sy hampandroso ahy lavidavitra kokoa hatrany ao amin'ny halalin'ny zava-miafinao. Omeo fiadanana ny fanahiko. Ataovy zary lanitra ho Anao, ho fonenana tianao sy maminao ary koa ho fialan-tsasatra ho Anao. Enga anie tsy hamela Anao hanirery ao aho, fa hitoetra ao tanteraka entanin'ny finoako ka hitsaoka Anao, ary hanolotra ny tenako manontolo ho volavolain'ny asanao mpahary.

Ry Kristy mamiko, voafantsika noho ny fitiavana, te-ho olon-tian'ny Fonao aho. Tiako ho totofako voninahitra Ianao. Te-hitia Anao aho ...tia hatramin'ny fahafatesana ! Tsapako anefa ny fahosako koa mangataka Aminao aho mba "tafio Anao aho" ka hifanaraka amin'ny fientanam¬-panahinao rehetra ny ahy. Mba rakofy tanteraka Anao aho ka alenteho ao Aminao, ho henika Anao ka Ianao no hisolo ahy ary ny fiainako amin'izay dia ho taratry ny fiainanao rano fotsiny. Tongava ato amiko hitsaoka, hanarina sy hanavotra.

Ry Teny tonga Nofo mandrakizay ô, Tenin'Andriamanitra, tiako ho laniana hihainoana Anao ny fiainako, sitrako ho handairam-pampianarana tokoa raha izaho mba hahalalako ny tontolonao. Ary rahefa avy nanavatsava ny alina rehetra, ny banga rehetra sy ny tsy fananan-kery rehetra aho, dia mamiko ny hitoetra eo ambanin'ny fahazavanao lehibe. Ry Masoandro mamiko ô, sintony aho hanatona Anao mba tsy hahafahako manalavitra ny famirapiratanao intsony.

Ry Afo mandevona, ry Fanahy fitiavana, hambomba ahy anie ny herinao ka ho zary fahatongavan'ny Teny ho Nofo indray aho mba hahafahany manavao ato amiko ny Zava-miafiny rehetra. Ary Ianao ry Ray ô, topazo maso ity zava-boaarikelinao mahantra. Alofy amin'ny alokao izy ary enga anie ilay “Zanakao malalanao ankasitrahanao indrindra” no hany ho hitanao ao aminy.

Ry Olona Telo, ahy ianao, tontoloko, hasambarako, fitokana-monina tsy misy fetra, halebiazana tsy hita faritra, mahavery anjavona ahy ao Aminao. Mitolo-tena Aminao mova tsy ny remby aho. Miafena re ato amiko mba hilevenako ao Aminao mandra-pibanjinako ao amin'ny fahazavanao ny hantsan-dalin'ny fahambonianao.